mardi 12 mars 2013

Fankalazana niarahana tamin’ny vita batisa

Vita tamin ‘ny alahady 10 Martsa 2013 teto amin’ny FJKM ISAHAFA ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ny zanaky ny fiangonana vita batisa nandritra ny 10 Taona niarahana niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety. Nahafinaritra ny fanafanana ny fotoana na dia somarynanamaloka ny lanonana aza ny tsy naha teo ny vadin’ny mpitadrina. Vory maro tokoa ny mpino ary nandray anjara tamin’ny fanopoam-pivavahana ny solon-tena tamin’ireo nahatsiaro nandray fahasoavana tamin’ny alalan’ny batisa. Maro ireo izay nahatsiaro io fotoana io satria dia nameno ny toerana afovoany izy ireo ary raha natao indray mitopy maso dia nifangaroana sokajin-taona samihafa satria tao ny efa manan-tokatrano ary tao ny tena mbola zaza tokoa. Nahatsiaro ny mpitandrina mianankavy tokoa izy ireo ary nandray anjara tamin’ny fanomezana anaty valopy ho toy ny tso-drano mba hahefany be be kokoa hatrany.

 Vita izany izay ny an’ny natao mariazy sy ireo vita batisa nandritra ny 10 taona fa amin’ny volana aprily dia ireo izay noraisina ho mpandray indray no hanatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra sy hahatsiaro ny mpitandrina mianankavy. Tsy mitsahatra ny miroso hatrany ny fandaharan’asa samihafa tanterahan’ny komity sy isika mianankavy , koa dia miomàna hisy ny sakafo AGAPE izay iraisana ny 05 May ho avy izao. ‘’Ireny no anisan’ny vokatra…. ‘’ hoy ny mpitandrina tamin’ny alahady koa dia andeha hiara misalahy ho fampandrosoana ny fanjakan’ANDRIAMANITRA……

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire