mercredi 12 décembre 2012

ny vohitr'Isahafa raha atao indray mijery

Isahafa ! .... Anaran-tanàna tsy dia maro mpanana, na dia teny malagasy mazava aza, ny anarana atao hoe ISAHAFA. Tsy mbola nandre izany angamba ianao ? Ny isa dia manambara "voalohany" na koa "fanondroana" ary ny hafa dia "ivelany" na tsy "miaraka". Ny Isahafa dia nentina nanavahana antokon'olona na tanàna iray tamin'ny andron'Andrianampoinimerina. Toerana iray tsy dia lavitra ny renivohitra, sahabo 15 km eo ho eo, manaraka ny lalam-pirenena RN 3. Fokontany iray ao amin'ny Koaminina Sabotsy-namehana ary eo andrefan'i LAZAINA. Izy dia faritan'ireto fokontany ireto: Malaza ao atsimo, Iavoambony ao avaratra ary ny fokontanin'Anosiarivo ny ao andrefana. Tokony ho 3 km miala an'i Sabotsy namehana mianavaratra dia mivily miankandrefana ianao, ary rehefa tokony ho 2 km miala eo amin'ny sampanan'i Lazaina dia ho tonga eo Isahafa ianao.Mizara ho vohitra maromaro ny fokontanin'Isahafa dia Isahafa atsimo izay ivantanana raha avy aty an-drenivohitra. Eo no misy ny fiangonana FJKM sy ny sekoly ambaratonga voalohany.
                Toerana malalaka kosa fanaovana fanatanjahan-tena no manasaraka ny vohitra roa dia dia Isahafa atsimo sy Isahafa avaratra. Amin'ny ilany andrefana no misy ny vohitra Isahafa andrefana.
             Araka ny lovan-tsofina sy ny tantara misy dia azo tamin'ny andron'Adrianampoinimerina no niantsoana voalohany ny anarana hoe Isahafa.
                Fahiny dia Antanimarina no niantsoana an'Isahafa satria izy dia toerana lembalemba sady midadasika.Nanao fanisana vahoaka avy eny Ambatomiantendro hono ny mpanjaka fahiny dia hoy izy hoe " ny mponina amin'iroa vohitra iroa dia aza isaina miaraka min'ny hafa fa atokano" dia izay no nanaovana azy ho ISA-HAFA. Araka ny tantara ihany dia mponina avy eny Ambohipeno (Ambohimanambola) ny mponina teto isahafa. Nafindran'ny mpanjaka ho teto Isahafa izy ireo noho ny antony samihafa. Fahiny Isahafa dia toerana nampiasain'ny miaramila tamin'ny zavatra maro. Raha handeha hiady ny miaramila fahiny dia teto Isahafa, tsangambato iray eo ampidirana ny tanana, no nanaovana ny tsitsika fa tsy mahazo mihemotra an'ady ny miaramila. Raha sanatria ka misy miaramila mihemotra an'ady dia ao isahafa andrefana no tapahin-doha izy ireo. Isan'ny mampalaza an'Isahafa ihany koa fahiny dia noho izy toerana fanaovan'ny miaramila matso. Ary rehefa manao matso ny miaramila dia eo amin'ny dongon'i Joba no mpibaiko ny mpindrindra izany. I Joba moa dia isan'ireo komandy miaramila tamin'izany andro izany.
           Isahafa ankehitriny dia efa misy fiovana fa tsy toy ny taloha, maro tamin'ireo toerana rakotr'ala fahiny no tonga toerana fanorenana na koa tonga toeram-pambolena. Maro no tonga ety isahafa mba hiala voly satria toerana malalaka Isahafa afaka mandray mpitsangatsana Isahafa. Ny olana dia tsy mahafa-po ny fitaterana. Maro no diso fanantenana satria nisy fanamboaran-dalana teto Isahafa saingy tsy vita hatramin'ny farany. Koa dia manasa anao hamangy indrindra fa isika taranaka avy eto Isafaha.

mardi 4 décembre 2012

Tandremo ny tsy fahaiza-manavaka

Indray andro dia nisy vahiny lehilahy avy any ivelany tonga teto Madagasikara. Sambany izy no tonga teto amintsika kanefa na dia izany aza dia efa nisy hotely lehibe iray ary fomba tokoa izay efa nomanina hivantanany teto an-drenivohitra. Alina no nahatongavany tao amin'io trano fandraisam-bahiny io ka tsy mbola hainy loatra ny antsipiriany ny amin'ny toerana. Iny alina iny ihany izy tsy nahita tory ka dia nandeha nivoaka ny efitranony ary niotsangatsangana teo antokontanin'ity trano fandraisam-bahiny ity, ny fandriam-pahalemana koa tsy dia natahorana firy. Nahafinaritra ery ny teo an-tokontany ka dia nanararaotra nigoka ny hakanton'ny alina izy fa tsy natory. Nadehandeha eran'ny tokontany, nitsangana sy nipetrapetraka teny rehetra teny. Tampoka teo anefa injay nisy feo nidoboka mafy nanaitra ny mpiambina teo amin'ny hotely. Nifandrombaka namonjy izy ireo satria fantatra tsara ny toerana niavian'ilay fidobohana. Nozahavina ka indro ingahy rainy nikoropaka tao anaty dobo filomanosana, izay hita fa tsy nivonona ny hilomano mihitsy amin'izato fitafiany. Navotana hiala tao anaty rano izy ary nampakana aina kely. Avy eo nanontanian'ny mpiambina izy hoe "fananinona ianao teo?" Tsotra no navaliny :"Noheveriko fa mbola carreaux eto antokontany no nanjelanjelatra ka dia tsy taitra aho, hay ka efa piscine feno rano..... no notarafin'ny jiro!. dia ni..do..bo..ka ...aho!!!!." Tandremo: Misy lalana heverin'ny olona ho mahitsy hay efa lalana mankany amin'ny fahaverezana......mat 7 15-18 "

akon'ny 1 Novambra 2012


Tontosa soa aman-tsara ny fiarahana nitsangatsangana izay nokarakarain'ny komity ho amin'ny fankalazana ny  faha-10 taona niarahana niasa tamin'ny Mpitandrina Randrianandraina Fety Marka  mianankavy sy ny FJKM ISAHAFA. Izany moa dia notanterahana ny 01 Novambra 2012 lasa teo. Teto Isahafa ihany no nanatanterahana ny hetsika kanefa dia tonga nanotrona izany ny mpianankavin'ny finoana  sy ireo zanaka am-pielezana sasantsasany. Ny mety ho nahatonga ny fahavitsian'ny am-pielezana dia mety teo amin'ny lafiny fifandraisana kanefa na izany aza dia isaorana ireo tonga tamin'io fotoana io.Marihana fa tonga nanotrona io fotoana io hany koa ny fianankavin'ny mpitandrina izay nahitana ny reniny sy ireo iray tampo.
 Tonga  teo avokoa ny Sampana teo amin'ny fiangonana sy ireo komity isan-karazany izay miasa eto amin'ny fiangonana ho fampandrosoanan ny asan'Andriamanitra;
Korana nadritra ny tontolo andro no hita teny an-toerana. Hetsika maro no hita tao dia ny fiarahan'ny mpitandrina mianankavy sy ny vahoakan'Andriamanitra  tamin'ny alalan'ny lalao isan-karazany. Maro ny valisoa nozaraina ho an'ireo nandray anjara eny fa na ireo tsy nilalao koa aza dia nahazo ny anjarany. Ny fiaraha-nisakafo teo ambany aloakaloky ny manga maniry, ankalamanjana io ka dia nahafinaritra satria ny nofo voky ny saina koa faly rahateo. Tamin'ny tolakandro moa dia nisy ny dinidiniky ny mpianankavy satria dia loabary an-dasy ny fifanankalozan-kevitra ho amin'ny fiarahamiasa. Nivoitra tamin'izany ny fanambarana ireo toetra mahafinaritra tamin'ny fifandraisana nandritra ny 10 taona niarahana. Nilaza ny rehetra fa nahafinaritra ny fiaraha-miasa na dia nisy aza ny olana izay tena azo nifandaminana nadritra izay folo taona izay.
Marihina moa fa hetsika voalohany taorian'ny fanokafana araka ny fomban'ny fiangonana io fa ny manetsa e mbola ho avy. koa dia mirary indrindra ny fifanotronan-tsika mianankavy satria ny famkalazana dia tsy hifarana raha tsy ny volana Novambra 2012.