mercredi 12 décembre 2012

ny vohitr'Isahafa raha atao indray mijery

Isahafa ! .... Anaran-tanàna tsy dia maro mpanana, na dia teny malagasy mazava aza, ny anarana atao hoe ISAHAFA. Tsy mbola nandre izany angamba ianao ? Ny isa dia manambara "voalohany" na koa "fanondroana" ary ny hafa dia "ivelany" na tsy "miaraka". Ny Isahafa dia nentina nanavahana antokon'olona na tanàna iray tamin'ny andron'Andrianampoinimerina. Toerana iray tsy dia lavitra ny renivohitra, sahabo 15 km eo ho eo, manaraka ny lalam-pirenena RN 3. Fokontany iray ao amin'ny Koaminina Sabotsy-namehana ary eo andrefan'i LAZAINA. Izy dia faritan'ireto fokontany ireto: Malaza ao atsimo, Iavoambony ao avaratra ary ny fokontanin'Anosiarivo ny ao andrefana. Tokony ho 3 km miala an'i Sabotsy namehana mianavaratra dia mivily miankandrefana ianao, ary rehefa tokony ho 2 km miala eo amin'ny sampanan'i Lazaina dia ho tonga eo Isahafa ianao.Mizara ho vohitra maromaro ny fokontanin'Isahafa dia Isahafa atsimo izay ivantanana raha avy aty an-drenivohitra. Eo no misy ny fiangonana FJKM sy ny sekoly ambaratonga voalohany.
                Toerana malalaka kosa fanaovana fanatanjahan-tena no manasaraka ny vohitra roa dia dia Isahafa atsimo sy Isahafa avaratra. Amin'ny ilany andrefana no misy ny vohitra Isahafa andrefana.
             Araka ny lovan-tsofina sy ny tantara misy dia azo tamin'ny andron'Adrianampoinimerina no niantsoana voalohany ny anarana hoe Isahafa.
                Fahiny dia Antanimarina no niantsoana an'Isahafa satria izy dia toerana lembalemba sady midadasika.Nanao fanisana vahoaka avy eny Ambatomiantendro hono ny mpanjaka fahiny dia hoy izy hoe " ny mponina amin'iroa vohitra iroa dia aza isaina miaraka min'ny hafa fa atokano" dia izay no nanaovana azy ho ISA-HAFA. Araka ny tantara ihany dia mponina avy eny Ambohipeno (Ambohimanambola) ny mponina teto isahafa. Nafindran'ny mpanjaka ho teto Isahafa izy ireo noho ny antony samihafa. Fahiny Isahafa dia toerana nampiasain'ny miaramila tamin'ny zavatra maro. Raha handeha hiady ny miaramila fahiny dia teto Isahafa, tsangambato iray eo ampidirana ny tanana, no nanaovana ny tsitsika fa tsy mahazo mihemotra an'ady ny miaramila. Raha sanatria ka misy miaramila mihemotra an'ady dia ao isahafa andrefana no tapahin-doha izy ireo. Isan'ny mampalaza an'Isahafa ihany koa fahiny dia noho izy toerana fanaovan'ny miaramila matso. Ary rehefa manao matso ny miaramila dia eo amin'ny dongon'i Joba no mpibaiko ny mpindrindra izany. I Joba moa dia isan'ireo komandy miaramila tamin'izany andro izany.
           Isahafa ankehitriny dia efa misy fiovana fa tsy toy ny taloha, maro tamin'ireo toerana rakotr'ala fahiny no tonga toerana fanorenana na koa tonga toeram-pambolena. Maro no tonga ety isahafa mba hiala voly satria toerana malalaka Isahafa afaka mandray mpitsangatsana Isahafa. Ny olana dia tsy mahafa-po ny fitaterana. Maro no diso fanantenana satria nisy fanamboaran-dalana teto Isahafa saingy tsy vita hatramin'ny farany. Koa dia manasa anao hamangy indrindra fa isika taranaka avy eto Isafaha.

mardi 4 décembre 2012

Tandremo ny tsy fahaiza-manavaka

Indray andro dia nisy vahiny lehilahy avy any ivelany tonga teto Madagasikara. Sambany izy no tonga teto amintsika kanefa na dia izany aza dia efa nisy hotely lehibe iray ary fomba tokoa izay efa nomanina hivantanany teto an-drenivohitra. Alina no nahatongavany tao amin'io trano fandraisam-bahiny io ka tsy mbola hainy loatra ny antsipiriany ny amin'ny toerana. Iny alina iny ihany izy tsy nahita tory ka dia nandeha nivoaka ny efitranony ary niotsangatsangana teo antokontanin'ity trano fandraisam-bahiny ity, ny fandriam-pahalemana koa tsy dia natahorana firy. Nahafinaritra ery ny teo an-tokontany ka dia nanararaotra nigoka ny hakanton'ny alina izy fa tsy natory. Nadehandeha eran'ny tokontany, nitsangana sy nipetrapetraka teny rehetra teny. Tampoka teo anefa injay nisy feo nidoboka mafy nanaitra ny mpiambina teo amin'ny hotely. Nifandrombaka namonjy izy ireo satria fantatra tsara ny toerana niavian'ilay fidobohana. Nozahavina ka indro ingahy rainy nikoropaka tao anaty dobo filomanosana, izay hita fa tsy nivonona ny hilomano mihitsy amin'izato fitafiany. Navotana hiala tao anaty rano izy ary nampakana aina kely. Avy eo nanontanian'ny mpiambina izy hoe "fananinona ianao teo?" Tsotra no navaliny :"Noheveriko fa mbola carreaux eto antokontany no nanjelanjelatra ka dia tsy taitra aho, hay ka efa piscine feno rano..... no notarafin'ny jiro!. dia ni..do..bo..ka ...aho!!!!." Tandremo: Misy lalana heverin'ny olona ho mahitsy hay efa lalana mankany amin'ny fahaverezana......mat 7 15-18 "

akon'ny 1 Novambra 2012


Tontosa soa aman-tsara ny fiarahana nitsangatsangana izay nokarakarain'ny komity ho amin'ny fankalazana ny  faha-10 taona niarahana niasa tamin'ny Mpitandrina Randrianandraina Fety Marka  mianankavy sy ny FJKM ISAHAFA. Izany moa dia notanterahana ny 01 Novambra 2012 lasa teo. Teto Isahafa ihany no nanatanterahana ny hetsika kanefa dia tonga nanotrona izany ny mpianankavin'ny finoana  sy ireo zanaka am-pielezana sasantsasany. Ny mety ho nahatonga ny fahavitsian'ny am-pielezana dia mety teo amin'ny lafiny fifandraisana kanefa na izany aza dia isaorana ireo tonga tamin'io fotoana io.Marihana fa tonga nanotrona io fotoana io hany koa ny fianankavin'ny mpitandrina izay nahitana ny reniny sy ireo iray tampo.
 Tonga  teo avokoa ny Sampana teo amin'ny fiangonana sy ireo komity isan-karazany izay miasa eto amin'ny fiangonana ho fampandrosoanan ny asan'Andriamanitra;
Korana nadritra ny tontolo andro no hita teny an-toerana. Hetsika maro no hita tao dia ny fiarahan'ny mpitandrina mianankavy sy ny vahoakan'Andriamanitra  tamin'ny alalan'ny lalao isan-karazany. Maro ny valisoa nozaraina ho an'ireo nandray anjara eny fa na ireo tsy nilalao koa aza dia nahazo ny anjarany. Ny fiaraha-nisakafo teo ambany aloakaloky ny manga maniry, ankalamanjana io ka dia nahafinaritra satria ny nofo voky ny saina koa faly rahateo. Tamin'ny tolakandro moa dia nisy ny dinidiniky ny mpianankavy satria dia loabary an-dasy ny fifanankalozan-kevitra ho amin'ny fiarahamiasa. Nivoitra tamin'izany ny fanambarana ireo toetra mahafinaritra tamin'ny fifandraisana nandritra ny 10 taona niarahana. Nilaza ny rehetra fa nahafinaritra ny fiaraha-miasa na dia nisy aza ny olana izay tena azo nifandaminana nadritra izay folo taona izay.
Marihina moa fa hetsika voalohany taorian'ny fanokafana araka ny fomban'ny fiangonana io fa ny manetsa e mbola ho avy. koa dia mirary indrindra ny fifanotronan-tsika mianankavy satria ny famkalazana dia tsy hifarana raha tsy ny volana Novambra 2012. 

mardi 21 août 2012

fanasana fetin'ny taranaka 2012


Fetin'ny taranaka FJKM ISAHAFA indray ny 29 - 30 Sept 2012 ho avy izao Koa dia manasa antsika rehetra ho tonga amin'izany. Hisy korana ny tntolo andro ny Asabotsy Ny alahady kosa Dia fiderana an'Andriamanitra hotronin'ny Taranaka rehetra.

Ny Asabotsy dia hisy Lalao ara-panatanjahantena Basket Ball , Course Gony ary koa rindran-kira hafanain'ny Taranaka am-pielezana . Tsy hadino koa fa hisy ny fifaninanan'ny Taranaka amin'ny Fiakarana an-Tsehatra. Tena ho Fety Mihitsy no hatrehina amin'io.

Ny Alahady dia ao am-piangonana daholo ho fanateram-bokatra. Fety be eo anatrehan'Andriamanitra io koa tongava daholo ary entano ny Havana rehetra.
Raha sitrapon'Andriamanitra dia hotaterintsika eto amin'ity Blog Ity ny Hetsika rehetra momba izany . Koa Dia mirary ny fitahian'Andriamanitra ho aminareo rehetra.

dimanche 12 août 2012

famaranam-bokatra niarahana tamin'ny VFL Isahafa

Vita soa aman-tsara ny iray volan'ny vondrona fototra laika VFL teto amin'ny fiangonana. Nofaranana tamin'ny famaranana ny fifaninanan-kira izany, izay nahitana tarika telo teo amin'ny famaranana. Isaorana Andriamaniitra fa afaka nampiseho ny voninahiny ny fiangonana. Lasan'ny tarika Julia ny laharana voalohany, izay nahitana ny tarika Rindra ny laharana faharoa ary teo amin'ny laharana fahatelo ny tarika Serge. Nahitana ny lenta izay efa avo tokoa ny fifininanana ka nahavariana ny mpanotrona.
Irariana ny hitohizan'ny fifaninanana mba hahafahan'ny zanaky ny fiangonana hivoatra amin'ny lafiny samihafa. Dia mirary ny vondrona fototra Laika mba hiroso be be kokoa hatrany amin'ny asa izay iantsoan'ny Tompo azy ireo.

jeudi 19 juillet 2012

Fiasaorana avy amin’ny Mpitandrina

Misaotra an’i JESOA KRISTY TOMPO noho ny nahatontosantsika ny Voka-dehiben’ny fiangonana FJKM Isahafa, ’’VOKA-PIHAVAOZANA’’ , tamin’ny Alahady 24 Jiona 2012 lasa teo. ‘’Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany’’. Heb 6 : 10

Fisaorana koa ho antsika rehetra mpianankavin’ny Finoana na ny eto an-toerana na any am-pielezana, nitondra am-bavaka sy niara-nanolotra vokatra ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra .

Entoana dia misaotra sahady ny amin’ny hiarahantsika indray amin’ny FETIN’NY TARANAKA SADY VOKA-DEHIBE FAHAROA ny Alahady 30 Septambra 2012. ‘’…handatsaka ny fanahiko amin’ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ny terakao’’. Isa 44: 3b
Ny Mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka Fety Mpitandrina
033 1234795 /034 71 291 19

mercredi 18 juillet 2012

fanamboaran-dalana etao eto Lazaina - Isahafa

Manomboka ny fanamboarana ny lalana Lazaina Isahafa izay eto amin'ny commune Sabotsy -Namehana Antananarivo Avaradrano. Mahafinaritra aloha fa mba misy fanamboarana ny lalana izay inoana fa hitondra fampivoarana ny tanàna sy ny fiarahamonina izany. Manomboka avy eo Lazaina izany ary hipaka eto Isahafa.

Lalana atao rarivato izy io. Ny ministera no miantoka ny fanamboarana amin'ny alalan'ny FER (na fond d'entretien routière). Izany dia iarahana amin'ny Commune sabotsy namehana. Araka ny fantatra dia tokony ho vita aloahan'ny 21 Aogisitra ho avy izao ny fanamboarana. Ny olana kely anefa dia ny fanapahana ny lalana izay hita fa mbola misy vahaolana amin'ny déviation Lazaina Ambohitrinimanga... Asa rehefa manao ny eo amin'ny valava miampita eo Isahafa no tsy hay hoe ahoana? Miezaka isika rehetra mba samy hanara-maso ny fizotry ny asa fa soa iombonana io.

Dia samy mihafy kely eo aloha izany.
Manantena isika rehetra fa ho vita ara-potoana izy io ka dia manantena antsika indrindra fa ny tia an'I Isahafa mba hamangivangy amin'izay e! Mba tsy ho ambakan'ny hafa ny tanàna tiantsika ity.

dimanche 15 juillet 2012

Mahatsara fifandraisana ny manome

I Meva dia ankizivavy iray izay tena nanana talenta tokoa amin'ny asa tanana. Indray andro izy dia nahavita akanjo tsara tarehy ka tapa-kevitra izy fa hataony fanomezana amin'ny fety fifanankalozana fanomezana taom-baovao ilay akanjo.
Tao am_pianarana anefa dia nisy ankizivavy iray izay tena tsy mba tia an'i Meva, Mialy no anarany.Rehefa natao anefa ny fanankalozana fanomezana dia samy niandry ilay akanjo tsara tarehy ny rehetra...
Kinanjo Lasan'i Mialy ilay fanomezana izay hita fa tsara noho ireo fanomezana hafa izay teo. Somary tsy niraika i Mialy kanefa tany am-pony toa sorena ihany...
Rehefa tena noraisiny anefa ilay fanomezana dia nitsika izy fa tena tsara taminy ny fanomezana natolotry Meva...
Nazava ny fony ary niova ny fifandraisany tamin'i Meva noho ilay fanomezana tsara...
Ianao koa manomeza izay sitrakao fa izay manome am-pifaliana no ankasitrahana...
Rtoa Mamisoa .

jeudi 12 juillet 2012

Ho mpiasa mahatoky……

Indray maka dia nisy rangahy iray mpanao trano Izay tena havanana tokoa amin’ny asany. Natokisan’ny lehibeny izy amin’ny fanaovany ny asany. Ary nanana toerana ho mpifehysy mpanaramaso asa sy ny mpiasa no nampiandraketina azy. Efa somary lehibe ihany izy ka nieritreritra ny hijanona amin’izay mba hisotro ronono. Nangataka tamin’ny lehibeny izy indray andro mba hijanona amin’izay.
Nalahelo ny lehibeny kanefa dia nanaiky ihany. Na izany aza dia niangavy azy farany ny lehibeny mba hamitany trano iray alohan’ny hijanonany tanteraka. Rehefa niangaviana mafy izy dia nanaiky ihany ny hanatanteraka izany. Niova mihitsy ny fomba fiasany , izay tsara teo aloha, fa nataony kitoatoa ny fanarahamaso sy ny fanatanterahana ilay trano. Ary tena haingana mihitsy satria maika ny hiala fotsiny ny anao lahy! Ary trano tsy nanarapenitra no vitany. Ilay lehibeny koa moa nahatoky azy ka dia tsy nadalo mihitsy fa dia ny zavatra rehetra ilaina ny nomeny.
Tonga ny fotoana nanaterany ny fanalahidin’ilay trano vaovao ary dia mbola namerina ihany izy fa iny no ataony farany dia aoka izay. Sadi nisaotra azy ny lehibeny tamin’ny fanekeny ny fiangaviany.
Noraisiny ny fanalahidy dia natolony Ilay mpiasa ka hoy izy hoe : ‘’ho fisaorako anao noho ny asanao rehetra teto amiko dia indro atolotro ho anao io trano nataona farany io ho fanomezana sy fankasitrahana.’’
Sina foana teo Ilay rangahy……. Tahak’izay mba natao tsara ihany.!!!!
Ary ianao koa ve mba maharitra amin’ny Asa tsara?.....

samedi 30 juin 2012

FISAORANA

Dia misaotra antsika rehetra Tamin'ny Fanatontosana ny VOKATRA tamin'ny 24 Jiona 2012 teo. Ny tompo anie hamaly fitia izay vitanareo rehetra.
"Fa izay manome am-pifaliana no ankasitrahana hoy ny teny. Amin'ny Manaraka indray e!
Mbola hoa avy ny fisaorana avy amin'ny mpitandrina.

Miarahaba antsika rehetra.

isaorana Andriamanitra fa afaka mifaneraseraamin'ny fomba hafa indray isyka mianankavy.
Mino aho fa hitondra aina vao ho antsika ny fisian'ita serasera vaovao ity. ary indrindra hampandroso antsika amin'ny Lafiny finoana ihany koa.
Afaka mametraka hafatra ato isika mianankavy.
Dia ilazao koa ny namana sy ny havana rehetra.
Dia samy ho tahian'Andriamanitra daholo ho eo ambany fahasoavan'i Jesoa kristy TOMPO!
NB: raha misy hafatra tianao hapetraka dia jereo"FIFANDRAISANA" (page io ambony).