mercredi 12 décembre 2012

ny vohitr'Isahafa raha atao indray mijery

Isahafa ! .... Anaran-tanàna tsy dia maro mpanana, na dia teny malagasy mazava aza, ny anarana atao hoe ISAHAFA. Tsy mbola nandre izany angamba ianao ? Ny isa dia manambara "voalohany" na koa "fanondroana" ary ny hafa dia "ivelany" na tsy "miaraka". Ny Isahafa dia nentina nanavahana antokon'olona na tanàna iray tamin'ny andron'Andrianampoinimerina. Toerana iray tsy dia lavitra ny renivohitra, sahabo 15 km eo ho eo, manaraka ny lalam-pirenena RN 3. Fokontany iray ao amin'ny Koaminina Sabotsy-namehana ary eo andrefan'i LAZAINA. Izy dia faritan'ireto fokontany ireto: Malaza ao atsimo, Iavoambony ao avaratra ary ny fokontanin'Anosiarivo ny ao andrefana. Tokony ho 3 km miala an'i Sabotsy namehana mianavaratra dia mivily miankandrefana ianao, ary rehefa tokony ho 2 km miala eo amin'ny sampanan'i Lazaina dia ho tonga eo Isahafa ianao.Mizara ho vohitra maromaro ny fokontanin'Isahafa dia Isahafa atsimo izay ivantanana raha avy aty an-drenivohitra. Eo no misy ny fiangonana FJKM sy ny sekoly ambaratonga voalohany.
                Toerana malalaka kosa fanaovana fanatanjahan-tena no manasaraka ny vohitra roa dia dia Isahafa atsimo sy Isahafa avaratra. Amin'ny ilany andrefana no misy ny vohitra Isahafa andrefana.
             Araka ny lovan-tsofina sy ny tantara misy dia azo tamin'ny andron'Adrianampoinimerina no niantsoana voalohany ny anarana hoe Isahafa.
                Fahiny dia Antanimarina no niantsoana an'Isahafa satria izy dia toerana lembalemba sady midadasika.Nanao fanisana vahoaka avy eny Ambatomiantendro hono ny mpanjaka fahiny dia hoy izy hoe " ny mponina amin'iroa vohitra iroa dia aza isaina miaraka min'ny hafa fa atokano" dia izay no nanaovana azy ho ISA-HAFA. Araka ny tantara ihany dia mponina avy eny Ambohipeno (Ambohimanambola) ny mponina teto isahafa. Nafindran'ny mpanjaka ho teto Isahafa izy ireo noho ny antony samihafa. Fahiny Isahafa dia toerana nampiasain'ny miaramila tamin'ny zavatra maro. Raha handeha hiady ny miaramila fahiny dia teto Isahafa, tsangambato iray eo ampidirana ny tanana, no nanaovana ny tsitsika fa tsy mahazo mihemotra an'ady ny miaramila. Raha sanatria ka misy miaramila mihemotra an'ady dia ao isahafa andrefana no tapahin-doha izy ireo. Isan'ny mampalaza an'Isahafa ihany koa fahiny dia noho izy toerana fanaovan'ny miaramila matso. Ary rehefa manao matso ny miaramila dia eo amin'ny dongon'i Joba no mpibaiko ny mpindrindra izany. I Joba moa dia isan'ireo komandy miaramila tamin'izany andro izany.
           Isahafa ankehitriny dia efa misy fiovana fa tsy toy ny taloha, maro tamin'ireo toerana rakotr'ala fahiny no tonga toerana fanorenana na koa tonga toeram-pambolena. Maro no tonga ety isahafa mba hiala voly satria toerana malalaka Isahafa afaka mandray mpitsangatsana Isahafa. Ny olana dia tsy mahafa-po ny fitaterana. Maro no diso fanantenana satria nisy fanamboaran-dalana teto Isahafa saingy tsy vita hatramin'ny farany. Koa dia manasa anao hamangy indrindra fa isika taranaka avy eto Isafaha.

1 commentaire:

  1. Teto aho vao nahafantatra ny anton'ny anarana ka dia ankasitrahana indrindra

    RépondreSupprimer