jeudi 26 décembre 2013

FISAORANA AVY AMIN’NY MPITANDRINA RANDRIANANDRAINA Marka Fety Mianakavy

Tantosa soa aman-tsara ny fankalazana an’Andriamanitra niarahantsika nanatontosa noho ny Folo Taona niaraha-nanompo . Tsy nikely soroka isika nanatanteraka izay rehetra asa natao, koa tsy hainay ny tsy hitondra ny fisaorana feno ho antsika mianankavy. Isaorana avokoa na ny lavitra na ny eto an-toerana izay samy nitondra ny anjara birikiny nanomezana voninahitra anAndriamanitra. Andriamanitry ny Fiadanana anie handrotsaka ny fahasoavany ho amintsika rehetra ary ho ambinina anie ny fanahinareo ary koa ho aminareo ny Fiadanany Eto am-pamaranana ny taona 2013 izao isika mianankavy koa mbola mirary soa ho antsika hahatratra ny taona 2014 SaAmy ho tahian’Andriamanitra.

samedi 2 novembre 2013

Ivon’ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana Niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety sy ny FJKM ISAHAFA

Ivon’ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana Niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety sy ny FJKM ISAHAFA Notontosaina ny SABOTSY 25 Octobra niaraka tamin’ny S/P Iarivo avaradrano ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana niasa tamin’ny FJKM ISAHAFA sy ny Mpitandrina RANDRIANANDRAINA MARKA FETY mianankavy . Nafana tokoa ny lanonana satria dia Fanompoam-pivavahana feno nanehoana ny voninahitr’Andriamanitra no niarahan’ny rehetra.
Fifanotronana mendrika feno hafaliana no nisoritra teny amin’ ny endriky ny rehetra. Notarihan’ny filoha synodaly ny fotoana ary nandraisan’ireo mpitandrina mpiara-miasa anjara. Naneho fankasitrahana ny Mpitandrina mianakavy tokoa ny fiangonana ary nitsodrano azy ireo mba hahavita betsaka tokoa amin’ny sehatra fanompoana ny Tompo. Nofaranana tamin’ny fiarahana nisakafo teny amin’ ny Espace teny Ilafy ny fotoana. Korana sy tsodrano fakaherezana mba hahavita be e! Izay ny niarahana tamin’ny S/P fa ny 03 Novambra ho avy izaokosa no nokasain’ny fiangonana manontolo hiarahana mifaly Ety Isahafa. Tongava fa Tsara io an!

jeudi 4 juillet 2013

ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...

ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...: Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka s...

Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady 30 jona 2013

Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka sy ireo reny fiangonana satria dia nahatratra 1000 mahery no tonga tamin'io fotoana io. Nanomboka tamin'ny Fanompoam_pivavahana ny fotoana izay narahan'ny lavantim-bokatra ary nofaranana tsmin'ny fiaraha-nisakafo nanasana ireo rehetra tonga. Nandritra ny maraina dia feno ny fiangonana eny fa hatreny an-tokontany aza dia nifanotronan'ireo mpino marobe izay tsy tafiditra. Ny mpitandrina no nitory ny tenin'Andriamanitra ary nandray anjara feno tamin'izany fotoana izany koa ny solontenan'ireo zanaka am-pielezana izay tonga nanotrona io fotoan-dehibe io. Rehefa tapitra ny fotoana dia notohizana tamin'ny lavantim-bokatra teny amin'ny toerana efa nomanina ho amin'izany ny fotoana. rehefa izany dia nofaranana tamin'ny fiaraha mi sakafo ny voka-dehibe. Hafaliana sy haravoana no nisoritra teny amin'ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny fotoana manontolo. Araraotina ny manolotra fisaorana antsika rehetra tonga eny fa nadia ireo izay tsy afaka noho ny antony maro samihafa koa aza dia tolorana fisaorana entoana. Dia mitondra am-bavaka ny fotoana manaraka indray isika mianankavy samy ho tahian'Andriamanitra e! Misy tahiryn-tsary vitsyvitsy ao amin'ny pejy sary vaovao.

mardi 11 juin 2013

VOKA-DEHIBE 2013

Tonga indray ny fotoan-dehibe 2013 dia ny fanatanterahana ny vokatra izany , koa fifaliana hoa ntsika ny mifanentana mba samy ho tonga ety an-tanindrazana hanatanteraka izany. Dia samy miomana isika ho amin'izany fotoana izany koa aza adino ny havana rehetra. Io no vokatra faha 10 niarahana tamin'ny mpitandrina koa dia entitsika misaotra an'Andriamanitra izany fotoana izany.

lundi 15 avril 2013

Fankalazana naredona ny an'ny Noraisina nadritra ny folo taona

Natao tamin'ny alahady 14 Aprily lasa teo teto amin'ny FJKM Isahafa ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny 10 taona niaraha niasa tamin'ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Fety Marka, izany dia niarahana tamin'ireo katekomena noraisina nandrita ny Folo taona niasany teto an-toerana. Maro tokoa no tonga nanotrona izany fotoana izany ary dia samy nirary soa ho an'ny mpitandrina ireo izay nahatsapa ny fahasoavana azony. Io fotoana io moa no fotoana fahatelo niarahana taorian'ny vita batisa ny volana febroary, sy ny mpanambady tamin'ny volana lasa teo. Nanamarika ny lanonana ny fakana sary niarahana tamin'ireo andiany tao anatin'ny folo taona izay samy manana ny anarana nisalorany avy. Na dia maro tamin'ireo aza no efa tany am-pielezana dia tonga niara nifaly tamin'ny mpitandrina mianankavy hatrany. Notsahivina ihany koa ny Sakafo AGAPE izay hatao ao amin'ny Espace JEANNI SOAVINIMERINA amin'ny alahady 05 Mai ho avy izao izay anasana ny terak'Isahafa manontolo. Manantena ny fifanotronana ny KOMITY e!

mardi 12 mars 2013

Fankalazana niarahana tamin’ny vita batisa

Vita tamin ‘ny alahady 10 Martsa 2013 teto amin’ny FJKM ISAHAFA ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ny zanaky ny fiangonana vita batisa nandritra ny 10 Taona niarahana niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety. Nahafinaritra ny fanafanana ny fotoana na dia somarynanamaloka ny lanonana aza ny tsy naha teo ny vadin’ny mpitadrina. Vory maro tokoa ny mpino ary nandray anjara tamin’ny fanopoam-pivavahana ny solon-tena tamin’ireo nahatsiaro nandray fahasoavana tamin’ny alalan’ny batisa. Maro ireo izay nahatsiaro io fotoana io satria dia nameno ny toerana afovoany izy ireo ary raha natao indray mitopy maso dia nifangaroana sokajin-taona samihafa satria tao ny efa manan-tokatrano ary tao ny tena mbola zaza tokoa. Nahatsiaro ny mpitandrina mianankavy tokoa izy ireo ary nandray anjara tamin’ny fanomezana anaty valopy ho toy ny tso-drano mba hahefany be be kokoa hatrany.

 Vita izany izay ny an’ny natao mariazy sy ireo vita batisa nandritra ny 10 taona fa amin’ny volana aprily dia ireo izay noraisina ho mpandray indray no hanatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra sy hahatsiaro ny mpitandrina mianankavy. Tsy mitsahatra ny miroso hatrany ny fandaharan’asa samihafa tanterahan’ny komity sy isika mianankavy , koa dia miomàna hisy ny sakafo AGAPE izay iraisana ny 05 May ho avy izao. ‘’Ireny no anisan’ny vokatra…. ‘’ hoy ny mpitandrina tamin’ny alahady koa dia andeha hiara misalahy ho fampandrosoana ny fanjakan’ANDRIAMANITRA……