lundi 11 février 2013

Nankasitraka ny Mpitandrina Randrianandraina Marka Ireo mpivady nohamasininy ny Fanambadiany

Lanonana niavaka tokoa no nisy Teto amin’ny FJKM ISAHAFA,ny alahady 10 febroary 2013, satria dia ireo natao mariazy tao anatin’ny 10 Taona nitandreman’ny Mpitandrina Randrianandraina Marka Fety no naneho ny fankasitrahany izany Ray aman-dreny izany. Ireo mpanambady ireo niaraka tamin’ny zanany (izay hita amin’ny sary niaraka amin’ny mpitandrina) no nitarika ny fotoana rehetra eny fa na dia ny fitatazana ny rakitra aza dia notontosain-jareo tamim-pifaliana tokoa. Maro ihany ny tokatrano tsy tonga noho ny antony maro samy hafa , tao ihany koa ireo tsy niaraka tamin’ny vadiny saingy nosoloan-tenan’ny iray , fa hoy mantsy ny teny hoe ‘’… Dia ho nofo iray ihany izy roa…’’ , eny fa na dia ny mpitandina koa aza moa dia tokana noho ny tsy fahasalamana.Raha atao indray mijery dia nahafinaritra ny nahita ny tokan-trano naorina teo anatrehan'Andriamanitra. Marihina fa iny moa izany no nisantarana ho an’ireo izay rehetra nandray fahasoavana nandritra ny 10 Taona niarahana niasa. Aorian’ny tamin’ny alahady teo dia ireo rehetra vita Batisa indray ny handray anjara amin'ny volana Mratsa 2013. Nampionana ihany koa ny komity ho amin’ny tohin’ny fankasitrahana ny mpanompon'Andriamanitra. Koa alao hery ary fa santatra ambavarano ihany iny fa ny manetsa be mbola hoa avy!