lundi 15 avril 2013

Fankalazana naredona ny an'ny Noraisina nadritra ny folo taona

Natao tamin'ny alahady 14 Aprily lasa teo teto amin'ny FJKM Isahafa ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny 10 taona niaraha niasa tamin'ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Fety Marka, izany dia niarahana tamin'ireo katekomena noraisina nandrita ny Folo taona niasany teto an-toerana. Maro tokoa no tonga nanotrona izany fotoana izany ary dia samy nirary soa ho an'ny mpitandrina ireo izay nahatsapa ny fahasoavana azony. Io fotoana io moa no fotoana fahatelo niarahana taorian'ny vita batisa ny volana febroary, sy ny mpanambady tamin'ny volana lasa teo. Nanamarika ny lanonana ny fakana sary niarahana tamin'ireo andiany tao anatin'ny folo taona izay samy manana ny anarana nisalorany avy. Na dia maro tamin'ireo aza no efa tany am-pielezana dia tonga niara nifaly tamin'ny mpitandrina mianankavy hatrany. Notsahivina ihany koa ny Sakafo AGAPE izay hatao ao amin'ny Espace JEANNI SOAVINIMERINA amin'ny alahady 05 Mai ho avy izao izay anasana ny terak'Isahafa manontolo. Manantena ny fifanotronana ny KOMITY e!