jeudi 4 juillet 2013

ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...

ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...: Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka s...

Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady 30 jona 2013

Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka sy ireo reny fiangonana satria dia nahatratra 1000 mahery no tonga tamin'io fotoana io. Nanomboka tamin'ny Fanompoam_pivavahana ny fotoana izay narahan'ny lavantim-bokatra ary nofaranana tsmin'ny fiaraha-nisakafo nanasana ireo rehetra tonga. Nandritra ny maraina dia feno ny fiangonana eny fa hatreny an-tokontany aza dia nifanotronan'ireo mpino marobe izay tsy tafiditra. Ny mpitandrina no nitory ny tenin'Andriamanitra ary nandray anjara feno tamin'izany fotoana izany koa ny solontenan'ireo zanaka am-pielezana izay tonga nanotrona io fotoan-dehibe io. Rehefa tapitra ny fotoana dia notohizana tamin'ny lavantim-bokatra teny amin'ny toerana efa nomanina ho amin'izany ny fotoana. rehefa izany dia nofaranana tamin'ny fiaraha mi sakafo ny voka-dehibe. Hafaliana sy haravoana no nisoritra teny amin'ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny fotoana manontolo. Araraotina ny manolotra fisaorana antsika rehetra tonga eny fa nadia ireo izay tsy afaka noho ny antony maro samihafa koa aza dia tolorana fisaorana entoana. Dia mitondra am-bavaka ny fotoana manaraka indray isika mianankavy samy ho tahian'Andriamanitra e! Misy tahiryn-tsary vitsyvitsy ao amin'ny pejy sary vaovao.