samedi 2 novembre 2013

Ivon’ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana Niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety sy ny FJKM ISAHAFA

Ivon’ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana Niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety sy ny FJKM ISAHAFA Notontosaina ny SABOTSY 25 Octobra niaraka tamin’ny S/P Iarivo avaradrano ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana niasa tamin’ny FJKM ISAHAFA sy ny Mpitandrina RANDRIANANDRAINA MARKA FETY mianankavy . Nafana tokoa ny lanonana satria dia Fanompoam-pivavahana feno nanehoana ny voninahitr’Andriamanitra no niarahan’ny rehetra.
Fifanotronana mendrika feno hafaliana no nisoritra teny amin’ ny endriky ny rehetra. Notarihan’ny filoha synodaly ny fotoana ary nandraisan’ireo mpitandrina mpiara-miasa anjara. Naneho fankasitrahana ny Mpitandrina mianakavy tokoa ny fiangonana ary nitsodrano azy ireo mba hahavita betsaka tokoa amin’ny sehatra fanompoana ny Tompo. Nofaranana tamin’ny fiarahana nisakafo teny amin’ ny Espace teny Ilafy ny fotoana. Korana sy tsodrano fakaherezana mba hahavita be e! Izay ny niarahana tamin’ny S/P fa ny 03 Novambra ho avy izaokosa no nokasain’ny fiangonana manontolo hiarahana mifaly Ety Isahafa. Tongava fa Tsara io an!