jeudi 19 juillet 2012

Fiasaorana avy amin’ny Mpitandrina

Misaotra an’i JESOA KRISTY TOMPO noho ny nahatontosantsika ny Voka-dehiben’ny fiangonana FJKM Isahafa, ’’VOKA-PIHAVAOZANA’’ , tamin’ny Alahady 24 Jiona 2012 lasa teo. ‘’Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany’’. Heb 6 : 10

Fisaorana koa ho antsika rehetra mpianankavin’ny Finoana na ny eto an-toerana na any am-pielezana, nitondra am-bavaka sy niara-nanolotra vokatra ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra .

Entoana dia misaotra sahady ny amin’ny hiarahantsika indray amin’ny FETIN’NY TARANAKA SADY VOKA-DEHIBE FAHAROA ny Alahady 30 Septambra 2012. ‘’…handatsaka ny fanahiko amin’ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ny terakao’’. Isa 44: 3b
Ny Mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka Fety Mpitandrina
033 1234795 /034 71 291 19

2 commentaires:

  1. Misaotra an'Atra tsika @ zavatra rehetra e!d misaotra ko @ fampahafantarana sy fandefasana vaovao aty anaty fifandraisana ôtran zao e!!

    RépondreSupprimer
  2. Maro ny fahasoavana azotsika avy @ Atra;indrindra ny nametrahany ny Mpitandrina RANDRIANANDRAINA Fety Marka sy ny ankohonany;ao anatin'ny fankalazana ny faha 10 taona naha mpitandrina azy isika fiangonana @zao;koa dia manentana antsika ny kômitin'ny fankalazana mba hampiseho ny fiarahantsika mientana sy mankasitraka izany Mpitandrina izany.Misy ny tanana mankasitraka;misy ireo isika izay nahazo fahasoavana tao anatin izay 10 TAONA izay ka ho hoavy any @tsika tsirairay avy any ny fanentanana sy ny fahampafantarana;ary hisy ko ny hetsika SAKAFO AGAPE izay ho atao ao @ Esapace Jeanni Soavinimerina ny Alahady 05 Mai 2013;koa dia manasa antsika sahady @ fandraisana anjara mavitrika ho fanohanantsika ny Mpitandrina sy ho fankalazantsika izany faha 10 taona izany.
    Ho tahin'Atra avokoa anie isika mpianakavin'ny finoana rehetra.

    RépondreSupprimer