jeudi 26 décembre 2013
FISAORANA AVY AMIN’NY MPITANDRINA RANDRIANANDRAINA Marka Fety Mianakavy
Tantosa soa aman-tsara ny fankalazana an’Andriamanitra niarahantsika nanatontosa noho ny Folo Taona niaraha-nanompo . Tsy nikely soroka isika nanatanteraka izay rehetra asa natao, koa tsy hainay ny tsy hitondra ny fisaorana feno ho antsika mianankavy. Isaorana avokoa na ny lavitra na ny eto an-toerana izay samy nitondra ny anjara birikiny nanomezana voninahitra anAndriamanitra.
Andriamanitry ny Fiadanana anie handrotsaka ny fahasoavany ho amintsika rehetra ary ho ambinina anie ny fanahinareo ary koa ho aminareo ny Fiadanany
Eto am-pamaranana ny taona 2013 izao isika mianankavy koa mbola mirary soa ho antsika hahatratra ny taona 2014 SaAmy ho tahian’Andriamanitra.
samedi 2 novembre 2013
Ivon’ny fankalazana ny faha 10 Taona niarahana Niasa tamin’ny mpitandrina RANDRIANANDRAINA Marka fety sy ny FJKM ISAHAFA

jeudi 4 juillet 2013
ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...
ISAHAFA: Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady ...: Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka s...
Voka-dehibe FJKM ISahafa Tontosa tamin'ny alahady 30 jona 2013
Noho ny fitahian'Andriamanitra sia tontosa ny Voka-dehibe izay natao teto isahafa tamin'ny 30 jona 2013. Vory lanona ny taranaka sy ireo reny fiangonana satria dia nahatratra 1000 mahery no tonga tamin'io fotoana io. Nanomboka tamin'ny Fanompoam_pivavahana ny fotoana izay narahan'ny lavantim-bokatra ary nofaranana tsmin'ny fiaraha-nisakafo nanasana ireo rehetra tonga.
Nandritra ny maraina dia feno ny fiangonana eny fa hatreny an-tokontany aza dia nifanotronan'ireo mpino marobe izay tsy tafiditra. Ny mpitandrina no nitory ny tenin'Andriamanitra ary nandray anjara feno tamin'izany fotoana izany koa ny solontenan'ireo zanaka am-pielezana izay tonga nanotrona io fotoan-dehibe io. Rehefa tapitra ny fotoana dia notohizana tamin'ny lavantim-bokatra teny amin'ny toerana efa nomanina ho amin'izany ny fotoana. rehefa izany dia nofaranana tamin'ny fiaraha mi
sakafo ny voka-dehibe. Hafaliana sy haravoana no nisoritra teny amin'ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny fotoana manontolo.
Araraotina ny manolotra fisaorana antsika rehetra tonga eny fa nadia ireo izay tsy afaka noho ny antony maro samihafa koa aza dia tolorana fisaorana entoana. Dia mitondra am-bavaka ny fotoana manaraka indray isika mianankavy samy ho tahian'Andriamanitra e!
Misy tahiryn-tsary vitsyvitsy ao amin'ny pejy sary vaovao.
mardi 11 juin 2013
VOKA-DEHIBE 2013

lundi 15 avril 2013
Fankalazana naredona ny an'ny Noraisina nadritra ny folo taona

mardi 12 mars 2013
Fankalazana niarahana tamin’ny vita batisa

Vita izany izay ny an’ny natao mariazy sy ireo vita batisa nandritra ny 10 taona fa amin’ny volana aprily dia ireo izay noraisina ho mpandray indray no hanatanteraka ny fankalazana an’Andriamanitra sy hahatsiaro ny mpitandrina mianankavy. Tsy mitsahatra ny miroso hatrany ny fandaharan’asa samihafa tanterahan’ny komity sy isika mianankavy , koa dia miomàna hisy ny sakafo AGAPE izay iraisana ny 05 May ho avy izao. ‘’Ireny no anisan’ny vokatra…. ‘’ hoy ny mpitandrina tamin’ny alahady koa dia andeha hiara misalahy ho fampandrosoana ny fanjakan’ANDRIAMANITRA……
Inscription à :
Articles (Atom)